Romans 5

1Satria nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fiadanana miaraka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Tompontsika Jesosy Kristy. 2Amin’ny alalany ihany koa no ananantsika lalana amin’ny finoana mankao amin’izany fahasoavana izay ijoroantsika izany. Miravoravo amin’ny fahatokiana omen’Andriamanitra anay amin’ny ho avy izahay, fahatokiana izay ho zaraintsika ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra.

3Tsy amin’izany ihany, fa isika ihany koa dia mifaly ao amin’ny fahoriantsika. Fantantsika fa ny fahoriana dia mamokatra faharetana. 4Ny faharetana miteraka fankatoavana, ary ny fankatoavana miteraka fahatokiana ho amin’ny hoavy. 5Izany toky izany dia tsy mandiso fanantenana, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia efa narotsaka tao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay nomena antsika.

6Fa raha mbola nalemy isika, dia maty ara-potoana ho an’ny ratsy fanahy Kristy. 7Fa sarotra ho an’ny olona iray ny ho faty ho an’ny olo-marina. Fa, angamba mety misy olona iray sahy ho faty ho an’ny olona tsara.

8Fa Andriamanitra maneho ny fitiavany manokana ho antsika, satria raha mbola mpanota isika, dia maty ho antsika Kristy. 9Mihoatra noho izany aza, ankehitriny. rehefa nohamarinina tamin’ny ràny isika, dia ho voavonjin’izany amin’ny fahatezeran’Andriamanitra.

10Fa raha, mbola fahavalo isika, dia nihavana tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahafatesan’ny Zanany, ary mihoatra noho izany, rehefa avy nampihavanina, dia ho voavonjy amin’ny alalan’ny ainy isika. 11Ary tsy izany ihany, fa isika ihany koa dia mifaly ao amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Tompontsika Jesosy Kristy, izay nahazoantsika izany fihavanana izany ankehitriny.

12Noho izany ary, toy ny nidiran’ny ota tamin’ny olona iray tamin’izao tontolo izao, dia toy izany koa no nidiran’ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny ota. Ary ny fahafatesana dia niely tamin’ny olona rehetra, satria samy nanota avokoa ny rehetra. 13Nandra-pisian’ny lalàna, dia teto amin’izao tontolo izao ny ota, fa tsy misy fanisan-keloka rehefa tsy misy lalàna.

14Nefa na izany aza, ny fahafatesana dia nanjaka nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’i Mosesy, na dia teo amin’ireo izay tsy nanota tahaka ny tsy fankatoavan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy. 15Nefa na izany aza, ny fanomezana dia tsy tahaka ny fahadisoana. Fa raha tamin’ny alalan’ny fahadisoan’ny iray no nahafaty ny maro, dia mihoatra lavitra no nataon’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana avy amin’ny fahasoavan’Ilay olona iray, Jesosy Kristy, nomena be ho an’ny maro.

16Fa ny fanomezana dia tsy tahaka ny vokatra avy amin’ilay iray izay nanota. Fa amin’ny lafiny iray, tonga ny fitsarana ho fanamelohana nohon’ny fahadisoan’ny olona iray. Fa amin’ny lafiny iray hafa, ny fanomezana miafara amin’ny fanamarinana dia tonga taorian’ny fahadisoana maro. 17Fa raha, tamin’ny alalan’ny fahadisoan’ny iray, no hanjakan’ny fahafatesana amin’ny iray, dia mihoatra lavitra noho izany ny hanjakan’ireo izay mandray ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fiainan’ilay iray, dia Jesosy Kristy.

18Noho izany ary, satria tamin’ny alalan’ny fahadisoan’ny iray no nahatonga ny olona ho amin’ny fanamelohana, dia amin’ny alalan’ny asan’ny fahamarinan’ny iray ihany koa no hatongavan’ny fanamarinana ny fiainana ho an’ny olona rehetra. 19Fa satria avy amin’ny tsy fankatoavan’ny olona iray no nahatonga ny maro ho mpanota, dia amin’ny alalan’ny fankatoavan’ny iray ihany koa no hahatonga ny maro ho marina.

20Fa tonga tao amin’izany ny lalàna, mba ho lehibe ny fahadisoana. Nefa raha nialehibe ny fahotana, dia vao maika nialehibe ny fahasoavana. Nitranga izany mba, tahaka ny nanjakan’ny fahotana tamin’ny fahafatesana, dia toy izany koa no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny alalan’ny fahamarinana ho amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.

21

Copyright information for PltULB